David and Jonathan

1. And David fled from Naioth in Ramah, and came and said before Jonathan, What have I done? what is mine iniquity? and what is my sin before thy father, that he seeketh my life?
1. David s`enfuit de Najoth, près de Rama. Il alla trouver Jonathan, et dit: Qu`ai-je fait? quel est mon crime, quel est mon péché aux yeux de ton père, pour qu`il en veuille à ma vie?
1. Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan' i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?
2. And he said unto him, God forbid; thou shalt not die: behold, my father will do nothing either great or small, but that he will shew it me: and why should my father hide this thing from me? it is not so.
2. "Jonathan lui répondit: Loin de là! tu ne mourras point. Mon père ne fait aucune chose, grande ou petite, sans m`en informer; pourquoi donc mon père me cacherait-il celle-là? Il n`en est rien."
2. Ary hoy izy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao, indro, tsy misy tsy ambaran' ikaky ahy izay ataony na be na kely ary hataon' ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany.
3. And David sware moreover, and said, Thy father certainly knoweth that I have found grace in thine eyes; and he saith, Let not Jonathan know this, lest he be grieved: but truly as the LORD liveth, and as thy soul liveth, there is but a step between me and death.
3. "David dit encore, en jurant: Ton père sait bien que j`ai trouvé grâce à tes yeux, et il aura dit: Que Jonathan ne le sache pas; cela lui ferait de la peine. Mais l`Éternel est vivant et ton âme est vivante! il n`y a qu`un pas entre moi et la mort."
3. "Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr' i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, toa iray dia monja no elanelako sy ny fahafatesana."
4. Then said Jonathan unto David, Whatsoever thy soul desireth, I will even do it for thee.
4. Jonathan dit à David: Je ferai pour toi ce que tu voudras.
4. Dia hoy Jonatana tamin' i Davida: Na inona na inona no irin' ny fanahinao, dia hataoko aminao izany.
5. And David said unto Jonathan, Behold, to morrow is the new moon, and I should not fail to sit with the king at meat: but let me go, that I may hide myself in the field unto the third day at even.
5. "Et David lui répondit: Voici, c`est demain la nouvelle lune, et je devrais m`asseoir avec le roi pour manger; laisse-moi aller, et je me cacherai dans les champs jusqu`au soir du troisième jour."
5. "Ary hoy Davida tamin' i Jonatana: Indro, ho tsinambolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin' ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-piavin' ny afaka ampitso harivariva."
6. If thy father at all miss me, then say, David earnestly asked leave of me that he might run to Bethlehem his city: for there is a yearly sacrifice there for all the family.
6. Si ton père remarque mon absence, tu diras: David m`a prié de lui laisser faire une course à Bethléhem, sa ville, parce qu`il y a pour toute la famille un sacrifice annuel.
6. "Koa raha hitan' ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko i Davida mba hahazoany mikaretsaka hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin' izy mianakavy rehetra isan-taona any."
7. If he say thus, It is well; thy servant shall have peace: but if he be very wroth, then be sure that evil is determined by him.
7. "Et s`il dit: C`est bien! ton serviteur alors n`a rien à craindre; mais si la colère s`empare de lui, sache que le mal est résolu de sa part."
7. "Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an' ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy."
8. Therefore thou shalt deal kindly with thy servant; for thou hast brought thy servant into a covenant of the LORD with thee: notwithstanding, if there be in me iniquity, slay me thyself; for why shouldest thou bring me to thy father?
8. Montre donc ton affection pour ton serviteur, puisque tu as fait avec ton serviteur une alliance devant l`Éternel. Et, s`il y a quelque crime en moi, ôte-moi la vie toi-même, car pourquoi me mènerais-tu jusqu`à ton père?
8. "Koa mamindrà fo amin' ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken' i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manan-keloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no hoentinao any amin' ny rainao aho?"
9. And Jonathan said, Far be it from thee: for if I knew certainly that evil were determined by my father to come upon thee, then would not I tell it thee?
9. Jonathan lui dit: Loin de toi la pensée que je ne t`informerai pas, si j`apprends que le mal est résolu de la part de mon père et menace de t`atteindre!
9. Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan' ikaky anao, moa tsy hambarako aminao va izany?
10. Then said David to Jonathan, Who shall tell me? or what if thy father answer thee roughly?
10. David dit à Jonathan: Qui m`informera dans le cas où ton père te répondrait durement?
10. Dia hoy Davida tamin' i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko? na ahoana raha sarotra no havalin-drainao anao?
11. And Jonathan said unto David, Come, and let us go out into the field. And they went out both of them into the field.
11. Et Jonathan dit à David: Viens, sortons dans les champs. Et ils sortirent tous deux dans les champs.
11. Ary hoy Jonatana tamin' i Davida: Andeha àry isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy.
12. And Jonathan said unto David, O LORD God of Israel, when I have sounded my father about to morrow any time, or the third day, and, behold, if there be good toward David, and I then send not unto thee, and shew it thee;
12. "Jonathan dit à David: Je prends à témoin l`Éternel, le Dieu d`Israël! Je sonderai mon père demain ou après-demain; et, dans le cas où il serait bien disposé pour David, si je n`envoie vers toi personne pour t`en informer,"
12. Ary hoy Jonatana tamin' i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an' i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao,
13. The LORD do so and much more to Jonathan: but if it please my father to do thee evil, then I will shew it thee, and send thee away, that thou mayest go in peace: and the LORD be with thee, as he hath been with my father.
13. "que l`Éternel traite Jonathan dans toute sa rigueur! Dans le cas où mon père trouverait bon de te faire du mal, je t`informerai aussi et je te laisserai partir, afin que tu t`en ailles en paix; et que l`Éternel soit avec toi, comme il a été avec mon père!"
13. "Dia hataon' i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain' ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin' ny raiko anie Jehovah."
14. And thou shalt not only while yet I live shew me the kindness of the LORD, that I die not:
14. "Si je dois vivre encore, veuille user envers moi de la bonté de l`Éternel;"
14. "Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran' i Jehovah mba tsy hahafaty ahy;"
15. But also thou shalt not cut off thy kindness from my house for ever: no, not when the LORD hath cut off the enemies of David every one from the face of the earth.
15. et si je meurs, ne retire jamais ta bonté envers ma maison, pas même lorsque l`Éternel retranchera chacun des ennemis de David de dessus la face de la terre.
15. Ary tsy hoesorinao amin' ny taranako koa ny famindramponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan' i Jehovah ny fahavalon' i Davida rehetra tsy ho ety ambonin' ny tany.
16. So Jonathan made a covenant with the house of David, saying, Let the LORD even require it at the hand of David's enemies.
16. Car Jonathan a fait alliance avec la maison de David. Que l`Éternel tire vengeance des ennemis de David!
16. Ary dia nanao fanekena i Jonatana ny amin' ny taranak' i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny fahavalon' i Davida.
17. And Jonathan caused David to swear again, because he loved him: for he loved him as he loved his own soul.
17. Jonathan protesta encore auprès de David de son affection pour lui, car il l`aimait comme son âme.
17. "Ary Jonatana nampianiana an' i Davida indray, satria tia azy izy; fa tia azy toy ny itiavany ny tenany izy."
18. Then Jonathan said to David, To morrow is the new moon: and thou shalt be missed, because thy seat will be empty.
18. "Jonathan lui dit: C`est demain la nouvelle lune; on remarquera ton absence, car ta place sera vide."
18. "Ary hoy Jonatana tamin' i Davida: Ho tsinambolana rahampitso; ary ho hita fa tsy ho eo ianao, fa ho foana ny fipetrahanao."
19. And when thou hast stayed three days, then thou shalt go down quickly, and come to the place where thou didst hide thyself when the business was in hand, and shalt remain by the stone Ezel.
19. Tu descendras le troisième jour jusqu`au fond du lieu où tu t`étais caché le jour de l`affaire, et tu resteras près de la pierre d`Ézel.
19. Koa raha mby amin' ny andro fahatelo dia midìna faingana ianao, ary tongava ao amin' ilay nierenao tamin' ny andro nitrangan' ilay raharaha iny, ka mitoera ao anilan' ny vato Ezela.
20. And I will shoot three arrows on the side thereof, as though I shot at a mark.
20. Je tirerai trois flèches du côté de la pierre, comme si je visais un but.
20. Ary handefa zana-tsipìka telo eo anelanelany aho, toy ny mikendry marika.
21. And, behold, I will send a lad, saying, Go, find out the arrows. If I expressly say unto the lad, Behold, the arrows are on this side of thee, take them; then come thou: for there is peace to thee, and no hurt; as the LORD liveth.
21. Et voici, j`enverrai un jeune homme, et je lui dirai: Va, trouve les flèches. Si je lui dis: Voici, les flèches sont en deçà de toi, prends-les! alors viens, car il y a paix pour toi, et tu n`as rien à craindre, l`Éternel est vivant!
21. "Ary indro, haniraka zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin' ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento ety; dia avia ianao, fa hipetraka amin' ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah."
22. But if I say thus unto the young man, Behold, the arrows are beyond thee; go thy way: for the LORD hath sent thee away.
22. Mais si je dis au jeune homme: Voici, les flèches sont au delà de toi! alors va-t-en, car l`Éternel te renvoie.
22. "Fa raha hoy kosa aho amin' ilay zazalahy; Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no nampandeha anao."
23. And as touching the matter which thou and I have spoken of, behold, the LORD be between thee and me for ever.
23. L`Éternel est à jamais témoin de la parole que nous nous sommes donnée l`un à l`autre.
23. Ary ny amin' ilay noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay.
24. So David hid himself in the field: and when the new moon was come, the king sat him down to eat meat.
24. David se cacha dans les champs. C`était la nouvelle lune, et le roi prit place au festin pour manger.
24. Ary niery tany an-tsaha Davida. Koa nony tsinambolana, dia nipetraka hihinana ny mpanjaka.
25. And the king sat upon his seat, as at other times, even upon a seat by the wall: and Jonathan arose, and Abner sat by Saul's side, and David's place was empty.
25. "Le roi s`assit comme à l`ordinaire sur son siège contre la paroi, Jonathan se leva, et Abner s`assit à côté de Saül; mais la place de David resta vide."
25. "Ary nipetraka teo amin' ny fipetrahany tahaka ny isan' andro ihany ny mpanjaka, dia teo amin' ny fipetrahana teo anilan' ny rindrina. Ary nitsangana Jonatana, fa Abnera no nipetraka teo anilan' i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan' i Davida."
26. Nevertheless Saul spake not any thing that day: for he thought, Something hath befallen him, he is not clean; surely he is not clean.
26. "Saül ne dit rien ce jour-là; car, pensa-t-il, c`est par hasard, il n`est pas pur, certainement il n`est pas pur."
26. "Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona tamin' izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy."
27. And it came to pass on the morrow, which was the second day of the month, that David's place was empty: and Saul said unto Jonathan his son, Wherefore cometh not the son of Jesse to meat, neither yesterday, nor to day?
27. Le lendemain, second jour de la nouvelle lune, la place de David était encore vide. Et Saül dit à Jonathan, son fils: Pourquoi le fils d`Isaï n`a-t-il paru au repas ni hier ni aujourd`hui?
27. Ary izao no niseho, tamin' ny andro faharoa dia ny ampitson' ny tsinambolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan' i Davida, dia hoy Saoly tamin' i Jonatana zanany: Nahoana no tsy mba nahatongavan' ny zanak' i Jese nihinana na omaly, na androany?
28. And Jonathan answered Saul, David earnestly asked leave of me to go to Bethlehem:
28. Jonathan répondit à Saül: David m`a demandé la permission d`aller à Bethléhem.
28. Ary Jonatana namaly an' i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema,
29. And he said, Let me go, I pray thee; for our family hath a sacrifice in the city; and my brother, he hath commanded me to be there: and now, if I have found favour in thine eyes, let me get away, I pray thee, and see my brethren. Therefore he cometh not unto the king's table.
29. "Il a dit: Laisse-moi aller, je te prie, car nous avons dans la ville un sacrifice de famille, et mon frère me l`a fait savoir; si donc j`ai trouvé grâce à tes yeux, permets que j`aille en hâte voir mes frères. C`est pour cela qu`il n`est point venu à la table du roi."
29. "Nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain' ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny raha mahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin' ny latabatry ny mpanjaka."
30. Then Saul's anger was kindled against Jonathan, and he said unto him, Thou son of the perverse rebellious woman, do not I know that thou hast chosen the son of Jesse to thine own confusion, and unto the confusion of thy mother's nakedness?
30. Alors la colère de Saül s`enflamma contre Jonathan, et il lui dit: Fils pervers et rebelle, sais je pas que tu as pour ami le fils d`Isaï, à ta honte et à la honte de ta mère?
30. Dia nirehitra tamin' i Jonatana ny fahatezeran' i Saoly, ka hoy izy taminy: Zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina ianao, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak' i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny fitanjahan' ny reninao.
31. For as long as the son of Jesse liveth upon the ground, thou shalt not be established, nor thy kingdom. Wherefore now send and fetch him unto me, for he shall surely die.
31. Car aussi longtemps que le fils d`Isaï sera vivant sur la terre, il n`y aura point de sécurité ni pour toi ni pour ta royauté. Et maintenant, envoie-le chercher, et qu`on me l`amène, car il est digne de mort.
31. Fa raha mbola velona ety ambonin' ny tany koa iny zanak' i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao, na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankaty amiko, fa tokony ho faty tokoa izy.
32. And Jonathan answered Saul his father, and said unto him, Wherefore shall he be slain? what hath he done?
32. Jonathan répondit à Saül, son père, et lui dit: Pourquoi le ferait-on mourir? Qu`a-t-il fait?
32. Ary Jonatana namaly an' i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony?
33. And Saul cast a javelin at him to smite him: whereby Jonathan knew that it was determined of his father to slay David.
33. Et Saül dirigea sa lance contre lui, pour le frapper. Jonathan comprit que c`était chose résolue chez son père que de faire mourir David.
33. Ary Saoly nitora-defona hamely azy, ka dia fantatr' i Jonatana fa nofofoin' ny rainy hovonoina i Davida.
34. So Jonathan arose from the table in fierce anger, and did eat no meat the second day of the month: for he was grieved for David, because his father had done him shame.
34. "Il se leva de table dans une ardente colère, et ne participa point au repas le second jour de la nouvelle lune; car il était affligé à cause de David, parce que son père l`avait outragé."
34. "Dia nitsangana niala teo amin' ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin' ny ampitson' ny tsinambolana; fa nalahelo an' i Davida izy, sady nomen-drainy henatra."
35. And it came to pass in the morning, that Jonathan went out into the field at the time appointed with David, and a little lad with him.
35. Le lendemain matin, Jonathan alla dans les champs au lieu convenu avec David, et il était accompagné d`un petit garçon.
35. Ary izao no niseho, nony maraina, dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin' ilay fotoana nataony tamin' i Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy.
36. And he said unto his lad, Run, find out now the arrows which I shoot. And as the lad ran, he shot an arrow beyond him.
36. Il lui dit: Cours, trouve les flèches que je vais tirer. Le garçon courut, et Jonathan tira une flèche qui le dépassa.
36. Dia hoy Jonatana tamin' ilay zazalahy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.
37. And when the lad was come to the place of the arrow which Jonathan had shot, Jonathan cried after the lad, and said, Is not the arrow beyond thee?
37. Lorsqu`il arriva au lieu où était la flèche que Jonathan avait tirée, Jonathan cria derrière lui: La flèche n`est-elle pas plus loin que toi?
37. Ary nony efa tonga teo amin' ilay nipetrahan' ny zana-tsipìka nalefan' i Jonatana ilay zazalahy, dia nantsoin' i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsipìka?
38. And Jonathan cried after the lad, Make speed, haste, stay not. And Jonathan's lad gathered up the arrows, and came to his master.
38. Il lui cria encore: Vite, hâte-toi, ne t`arrête pas! Et le garçon de Jonathan ramassa les flèches et revint vers son maître.
38. Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin' i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin' ny tompony.
39. But the lad knew not any thing: only Jonathan and David knew the matter.
39. "Le garçon ne savait rien; Jonathan et David seuls comprenaient la chose."
39. "Nefa ilay zazalahy tsy nahalala na inona na inona; fa Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny anton' izany."
40. And Jonathan gave his artillery unto his lad, and said unto him, Go, carry them to the city.
40. Jonathan remit ses armes à son garçon, et lui dit: Va, porte-les à la ville.
40. Dia nomen' i Jonatana ilay zazalahy ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho any an-tanàna ireto.
41. And as soon as the lad was gone, David arose out of a place toward the south, and fell on his face to the ground, and bowed himself three times: and they kissed one another, and wept one with another, until David exceeded.
41. Après le départ du garçon, David se leva du côté du midi, puis se jeta le visage contre terre et se prosterna trois fois. Les deux amis s`embrassèrent et pleurèrent ensemble, David surtout fondit en larmes.
41. "Ary raha vantany vao lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo i Davida, ka niankohoka tamin' ny tany izy sady niondrika intelo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an' i Davida dia mafy indrindra."
42. And Jonathan said to David, Go in peace, forasmuch as we have sworn both of us in the name of the LORD, saying, The LORD be between me and thee, and between my seed and thy seed for ever. And he arose and departed: and Jonathan went into the city.
42. Et Jonathan dit à David: Va en paix, maintenant que nous avons juré l`un et l`autre, au nom de l`Éternel, en disant: Que l`Éternel soit à jamais entre moi et toi, entre ma postérité et ta postérité! (20:43) David se leva, et s`en alla, et Jonathan rentra dans la ville.
42. "Ary hoy Jonatana tamin' i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin' ny anaran' i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin' ny taranako sy ny taranakao mandrakizay. Dia nitsangana Davida ka lasa; fa Jonatana kosa nankany an-tanàna."
<
>